ActualitésTatitra

Japon : Manana ny tahan’ny famonoan-tenan’ny tanora ambony indrindra

Tsy mitsaha-mitonbo ny tahan’ny famonoan-tenan’ny tanora ao Japon, tranga izay tena mampalahelo tokoa, raha ny nambaran’ny ministeran’ny fampianarana, kolotsaina, fanatanjahan-tena, siansa ary ny teknolojia.Tsikaritra fa nahatratra hatramin’ny 415 ireo mpianatra ao amin’ny ambaratonga voalohany, kolejy, ary ny lycée izay nanampitra ny andro iainany nandritra ny taom-pianarana 2020 (aprily 2020-martsa 2021). Tsy mbola hary nahitana salan’isa midangana be toy izao ity tranga iray ity nanomboka ny taona 1974 fa ny taona 2019 izy no tena nitombo aman-jatony mihitsy ary.Tsy fantatra mazava ny anton’izao tranga mampalahelo izao, raha ny nambaran’ny minisiteran’ny fampianarana kosa dia mahatratra hatramin’ny 196 127 eo ho eo ny isan’ireo mpianatra tsy tonga mianatra kanefa miala any an-trano mandritra ny taom-pianarana 2020 lasa teo. Asa mety noho ny krizy ve ?

Laisser un commentaire