France : Vaksiny andiany fahatelo hanomanana ny fidiran’ny mpianatra
Taorian’ny fiakaran’ny isan’ny olona mitondra ny variant Delta tao France, dia nanapakevitra ny governemanta fa hikarakara fanaovam-baksiny andiany fahatelo izy ireo. Izany dia hatao ho fanomanana ny fidiran’ny mpianatra sy hoan’ireo olona marefo ary ireo beantitra.Efa nambaran’ ny filoha Emmanuel Macron tamin’ny kabary nataony ny 12 jolay 2021 lasa teo ny mahazava-dehibe ny fanaovana rappel. Ary mbola nohamafisiny indray ny alakamisy 5 Aogositra 2021 tao anatin’ny tambanjotran-tserasera maromaro : « Ilaina tokoa ny fanaovana nytsindrona faharoa amin’ny vaksiny ho fisorohana tanteraka ity virus ity » hoy hatrany izy. Raha ny nolazain’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia « ho an’ny ankamaroan’ny olona, mahomby ny vaksiny sivy volana tao aorian’ny nanindromana azy voalohany ».
