Seychelles : Niakatra ny tahan’ny mpizaha tany
Nanomboka ny volana janoary teo hatramin’izao volana oktobra izao dia nandray mpizaha tany naherin’ny 258 000 isa i Seychelles. Efa nihoatran’ny faminavinana napetrak’ireo tompon’andrikitra tao an-toerana izany. Raha tsiahivina dia mpizaha tany 218 000 isa no novinavinain’izy ireo hitsidika ny nosy nandritra ny fivoriana ara-barotra stratejika tamin’ny fiandohan’ny taona.
41 herinandro tamin’ity taona 2022 ity ihany nefa dia tratra ny tanjona hoy ny sekretera jeneraly, Sherin Francis. Nahatratra ny 89% ny isan’ny mpitsidika tamin’ny taona 2019 izy ireo hoy izy ary raha mitovy ny fiakaran’ny antontan’isa mety hahatratra 330 000 ny mpizaha tany ao an-toerana amin’ity taoana ity.
