Kolontsaina : Manana ny olo-malazany ihany koa ny Malagasy
Maro ireo olo-malaza Malagasy, ary samy manana ny mampiavaka azy tsirairay avy avokoa izy rehetra. Misy ireo efa namela tantara teo amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena izy ireny, anisan’izany Raboussa.
Mpanankanto mandala hatrany makasika ny fiaraha-monina i Raboussa. Izy no nanoratra ilay hira hoe « winner over winner ». Ity lahatsoratra nosoratan’i Raboussa ity dia nanamarika taranaka mpiangaly rap maro. Nataony manokana ho an’ny tolona isan’andro sy ho an’ireo tanora mbola miady mafy moa ity hira ity. Marihina fa anisan’ireo mpikambana tao amin’ny Bogota tao Anosibe i Raboussa.
« Fony Raboussa mbola kely no efa nanonofy ny hitondra fanovana eo anivon’ny fiaraha-monina, ary anisan’ireo fialam-boly tena nankafiziny ihany koa ny fanaovana rap, tsy niala izy na dia maro aza ireo olana tsy maintsy nosendrainy fa narahina hatrany ny faniriany ary izy izao lasa anisan’ireo olon-kendry ankafizin’ny olona maro izao » hoy ireo namany. « Nitondra fanovana lehibe teo amin’ny fomba fisainako sy ny fifandraisako amin’ireo manodidina ahy ny hafatra hampitain’i Rabousa ao anaty tononkira izay zarainy, misy hatrany ny lesona tiany hampita fa tsy toy ireo hira hafa izay tsy hay fantarina akory ny hevin’ilay tononkira » hoy i Fitia anisan’ireo mpankafy. « Samy manana ny mampiavaka azy avokoa ny kolon-tsaina tsirairay avy ary anisan’ireo kolontsaina izay tena miavaka ny rap noho izy manana ny hevitra fonosiny hatrany ao ambadik’ireo tononkira raiketiny, harena ho an’ny firenena iray tokoa ny manana olona azo tahafina sy alaihin-tahaka tahaka izao, vitsy anisa mantsy ireo olona manana fahafohizan-tena hizara fahombiazana sy fankaherezana amin’izao fotoana izao » hoy i Narindra mpianatra mahakasika ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina.
Ny kolon-tsaina ao aminy tokoa no itarafana ny firenena tsirairay avy, ary ts nisalasala Raboussa nizara ireo talentany tamin’ny alalan’izany. Saika ho tononkira hahafahana mivoitra hatrany moa ny hira foroniny. Ireto ny rohy hahitanao ny lahatsoratra feno sy ahafahanao mankafy ireo tononkira, Gasy ka manja sy Tononkira: ilay rohy ahafanao mijery ny tononkira Malagasy mahafinaritra anao.
Famenontsoa Rajerison
https://www.gasykamanja.com/v2/tononkira/raboussa_mpandresy_ambonin_ny_mpandresy_-333-detail.html
