Filoha nasionalin’ny Association des Albinos Madagascar: Nisy namaky ny trano fonenany.
Ny Alatsinainy 19 Jona tamin’ny 9ora sy sasany maraina no fantatrafa nisy nanafika ny trano fonenan’i Soja Fulgence izay filoha nasionalin’ity fikambanana ity tao Maevatanana. Raha ny nambara hatrany dia tsy tao amin’ny trano fonenany izy sy ireo fianakaviany nandritry ny fotoana nisehoan’ny fanafihana.
Manoloana izao zava-misy mihatra aminy izao dia nanambara ity farany fa tandidonin-doza ny ain’ireo vady aman-janany ary manahy ihany koa izy ny amin’izay ho tohin’ny fanakorontanana hihatra aminy.
Naneho ny heviny manoloana ny zava-misy ihany koa ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana fa ahiana ny mety hifandraisan’izao fanafihana izao amin’ny maha filoha nasionalin’ny Association desAlbinos Madagascar ilay voatafikaka noho izany dia ho entitra ny fikarohana sy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. “Tsy avela hiaina milamina mihitsy ve izany izy itony fa raha tsy samborina vonoina sy alaina ny masopny dia robaina indray ny fananany? Mba tsy rariny loatra izao fa olombelona toy ny olombelona rehetra ihany izy ireny ka tsy tokony hiaina anaty horohoro lava toy izao.”Hoy kosa i Zava olon-tsotra
Andrasana moa hatreto ny tohin’ny fanadihadiana mikasika ity raharaha fanafihana ny trano fonenan’Andriamatoa Soja Fulgence ity.
Miranto Andrih
