ActualitésTatitra

France : Lehilahy iray no namono tena tao anaty tranom-barotra lehibe iray

Lehilahy iray no nitsambikina avy any amin’ny rihina maromaro tamin’ny tranom-barotra lehibe Les Quatre Temps tao La Défense ny sabotsy teo. Nianjera avy teo amin’ny haavo 20 metatra teo io lehilahy io ka namoy ny ainy teo no ho eo. Rehefa tonga tao an-toerana ireo mpamonjy voina dia efa tsy nisy azo natao intsony namelomana azy.

Raha ny petra-kevitr’ireo manam-pahefana kosa dia famonoan-tena no nataon’io lehilahy io. Tsy nisy feom-basy re tao amin’ny tranom-barotra tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, ary voaporofo tamin’ny alalan’ny « caméra de surveillance » izany raha ny fanazavan’izy ireo. Maro nefa ireo nanaparitaka tamin’ny tamba-jotra sosialy fa nahare feom-basy tamin’io fotoana io.

Marihina fa olona maro no tao amin’ny tranom-barotra tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza ka niteraka korontana sy savorovoro izany.

Laisser un commentaire