SocialTsidika

Mila mitandrina ny mpitrandraka volamena.

Anisan’ny asa mitera-doza ny fitrandrandrahana volamena. Olona maro no efa nahita loza tamin’izany. Ilaina hamafisina ny fitandremana mba hialana ny loza miseho izay mety hamoizana ain’olona mihitsy. Tsara toerana sy tsara vidy ny volamena ka izany no mandrisika ny olona hiditra amin’io sehatra fitrandrahana io. Hatao any anaty antsanga na antsangam-bato mamasipasika amin’ny fampiasana fahaizana asa tànana manokana ny fitrandrahana volamena. Misy ihany koa ireo manao izany anaty zohy. Miteraka loza tokoa anefa izany satria mety ahina ny fihotsahan’ny tany nohon’ny fangadiana tafahoatra amin’ny toerana iray. Manampy izany ihany koa ny fahalemen’ny tany amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ohatra amin’izany ity lehilahy iray hita faty tao amin’ny kaominina Ambohitompoina, disitrikan’Antanifotsy ity. Ny asa nataon’izy sy ireo namany ihany no niteraka ny loza. Marihana fa henjehin’ny lalàna ihany koa ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tahaka ny hita amin’ity toerana ity. Anisan’ny antony tsy hamelan’ny fanjakana izany, ny loza mitranga tahaka izao. Tsy ny mpitrandraka ihany fa tandindomin-doza ihany koa na ireo olona tsy manan-tsiny mety handalo amin’itony toerana itony. Andraikitra raisin’ny fokotany tany an-toerana ny fanentanana ny olona hanatsahatra ny fitrandrahana mba hisorohana ny loza hafa mety hohaterany indray. Tokony hamafisina ny lalàna mifehy izany fitrandrahana izany mba ho fantatry ny be sy ny maro.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire