Dépêches

LANITRA MENA : Fipoahana volkano no nahatonga azy

25 Janoary, 09h00. Faritra maro teto Madagasikara no nahatazana lanitra mena omaly. Raha ny fanazavana dia fipoahan’ilay volkano Hunga Tonga any amin’ny ranomasimbe Pasifika, eo ho eo amin’ny 13 000Km miala an’i Madagasikara eo no namoaka singa SO2 na Dioxyde de Soufre. Netin’ny rahona ireo singa ireo ka nitarika ny lokon’ny lanitra ho mena noho ny fandalovan’ny hazavana ao anatiny.Tranga mpiseho matetika any amin’ireo faritra misy volkano toy ny ao La Réunion ity niseho omaly ity. Marihina fa io SO2 io miaraka amin’ny hamandoana eny amin’ny rahona dia mety hiteraka ilay hoe « pluie acide ». 

Laisser un commentaire