ActualitésTatitra

Mayotte : Ho tontosaina ny alahady izao ny fifaninanana fanosehana kodiarana andiany faha-39

Raha mijanona ho fialamboly ny ankizy ihany ny fanosehana kodiarana eto Madagasikara dia efa lalao fifaninanana mihitsy izany ao Mayotte. Ho tontosaina ny 25 jona izao ao an-drenivohitry ny nosy manomboka amin’ny 2 ora atoandro ny andiany faha-39 ny fifaninanana.

Toy ny isan-taona dia miainga eo amin’ny fihodinana, mandalo ny baobab hatrao amin’ny kianja Zakia Madi ny hazakazaka hoy ny mpikarakara ny fifaninanana, Laurent Mounier. Amin’ity taona ity hoy izy dia 60 ny olon-dehibe hampandraisina anjara izay hitsinjara vondrona dimy. Voalohany ny vondrona lehilahy, vehivavy, mifangaro, kodiaram-baventy ary ny renim-pianakaviana.

Hampiavana ity andiany ity kosa ny fanamafisana ny fiarovana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Eo ihany koa ny hazakazaka am-pirahalahiana aorian’ny fifaninanana. Ny fisoratana anarana amin’ny fifaninana kosa dia atao ny alahady izoa ihany ary ny fanomezana ny loka dia atao ao Zakia Madi.

Laisser un commentaire