ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Hisy ny hetsika fanadiovana faobe mialohan’ny fety ao amin’ny fokontany Gara

Hantanteraka fanadiovana faobe ny ao amin’ny fokontany Gara, kaominina Ambohimanambola, rahampitso sabotsy 24 jona. Ho fiomanana amin’ny fety no sady fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena no antony hanatontosana izany, raha ny voalaza.

“Efa fanaon’ny fokontany isaky ny telo volana ny fanatanterahana ny hetsika fanadiovana faobe. Ireo efa feno taona, ka manana karinem-pokontany dia entanina sy antsoina hanatanteraka izany satria adidy sy andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena izany no tombotsoa iombonana ihany koa” hoy ny lefitry ny fokontany ao an-toerana.

“Ilaina foana ny fanadiovana na tsy miandry ny tomponandraikitra aza. Kanefa hisaorana azy ireo ihany amin’ny fanentanana satria mbola maro ireo tsy tonga saina sy tsy mahalala ny mahazava-dehibe ny fahadiovan’ny tanàna sy ny tontolo manodidina” hoy i Sami, mponina ao Ambohimanambola.

Rahampitso tolak’andro, manomboka amin’ny 02ora sy sasany moa no hanatanterahana izany. Ilaina ny mitondra fitaovam-pandiovana to any kifafa, ny borety, ny fourche amin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire