Mifarana androany ny atrik’asa karakarain’ny BNGRC
Natomboka ny 25 mey ary mifarana androany ny atrik’asan’ny « Organisation Mondiale des Douanes » momba ny fandrafetana toro-lalana azo ampiharina amin’ny fahazoan-dalana amin’ny fadin-tseranana na ny fanaraha-maso ireo fitaovana toy ny fanampiana samihafa raha sendra loza voajanahary sy tranga hafa mety manakorontana. Ny tale jeneraly Lefitry ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindony na ny BNGRC, Mirana Razafimanantsoa no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy. Ny BNGRC sy ny Direction Generale des Douanes Madagascar ary ireo mpisehatra amin’ny maha-olona manatanteraka izany mandritra 4 andro amin’ny alalan’ny « visio-conference » noho ny hamehana ara-pahasalamana misy ankehitriny. Isan’ny fiomanana manoloana ny loza-voajanahary izao. Tsara ny miomana mandrakariva amin’izay tsy ho tapohan’ny loza ary efa ezaka lehibe izao natao izao.
Nicole Rafalimananjara
