SportTatitra

France : Voka-dalao farany tamin’ny Roland-Garros

Nihitsana tamin’ny am-pahavalon’ny lalao tamin’ny Roland- Garros ilay vehivavy isan’ny nitana ny laharana voalohany taloha (WTA) , Victoria Azarenka ny alahady 6 jona raha nihaona tamin’i Anastasia Pavlyuchenkova tamin’ny isa 7-5, 3-6, 2-6. Tafakatra ho an’ny lalao ampahefa-dalana kosa i Stefanos Tsitsipas nanoloana an’I Pablo Carreño Busta tamin’ny isa 6-3, 6-2, 7-5. Mazava ihany koa ny lalao manaraka ho an’i Daniil Medvedev satria itarika ny isa 6-2, 6-1, 7-5 raha nifanandrina tamin’ny Cristian Garrin. Nandresy an’i Federico Delbonis kosa i Alejandro Davidovich Fokina tamin’ny isa 6-4 6-4 4-6 6-4. Ankoatra an’i Anastasia tamin’ireo vehivavy dia nandresy an’I Serena Williams tamin’ny isa 6-3, 7-5 i Elena Rybakina raha resy kosa i Sorana Cirstea nanoloana an’i Tamara Zidansek tamin’ny isa 7-6 (7/4), 6-1. Nibata ny fandresena nanoloana an’i Marketa Vondrousova kosa i Paula Badosa tamin’ny isa 6-4, 3-6, 6-2.

Laisser un commentaire