Manan-kery eto amintsika ny kolontsaina vaovao
Nambaran’ny avy ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana fa tsy mifanohitra velively amin’ny lalàm-panorenana ny lalàna mirakitra ny Politikam-pirenena momba ny kolontsaina izay lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena. « 16 taona no niandrasana azy ity, satria ny taona 2005 no nisy fanavaozana farany ny politika hitondrana ny kolontsaina eto Madagasikara » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
« Isan’ireo zava-dehibe nentin’ity lalàna ity ny fametrahana ny maha-matihanina ny artista malagasy ka ahafahany misitraka tombontsoa maro amin’ny alalan’ny fametrahana ny satan’ny mpanakanto, sy ny sisa maro tsy voalaza » hoy Tale jeneralin’ny kolontsaina eny anivon’ny Ministera. Anisan’ny misongadina ao ihany koa ny fametrahana paikady hiarovana ny maha-izy ara-kolontsaina antsika, sy ny vakoka, efa nandrasan’ireo mpandala izany koa ny politika vaovao momba ny teny malagasy, ny famporisihana ny famoronana ara-kolontsaina ho an’ny tanora malagasy, ny fanomezana tosika ny sehatry ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara.
« Sitrakay mpandala ny kolontsaina Malagasy tokoa ny tahaka izao mba hitondrana avo ny kolontsaina misy eto fa tsy ho sanatria ho fatin’ny kolontsaina vahiny » hoy i Raharinirina, mpandala ny fomban-drazana. Ary anisan’ny tena goavana dia ny nampidirana ny « Tagnamaro » andron’ny olom-pirenena ao anatiny, mba ho sehatra hanehoana ny maha-olom-pirenena vanona, mikolokolo ny soa iombonana, mamerina indray ny lanjan’ny vali-tanana sy ny firaisankinan’ny samy malagasy.
Mahazo vahana ny hetsika entina hanadratana avo ny kolontsaina Malagasy indrindra ho an’ireo tanora izay manomboka manary ny maha Malagasy fa variana amin’ny hairaha.
Nicole Rafalimananjara
