Fanampiana ny toerana handraisana ny marary
Olana tato ho ato ny fahateren’ny toeram-pitsaboana ho an’ireo mararin’ny COVID-19 eto Madagasikara indrindra ny eto Antananarivo izay tsy mitsaha-mitombo. Heno eny rehetra eny ny fitarainan’ireo marary ireo mpikarakara ny marary ny amin’izany. Tsy hodian’ny fanjakana tsy re anefa izany fa miezaka araka izay azoa tao foana indrindra ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mamaha ireo olana misy. Nampitomboina araka izany ireo toerana handraisan-tanana ireo marary. Nosokafana ny Talata 30 Martsa lasa teo ny CTC-19 Mahamasina. Tonga nijery ny fandaminana teny an-toerana Andriamatoa Praiministra Lehiben’ny Governemanta, Christian Ntsay. Nanotrona azy tamin’izany ny Tale Kabinetran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Rakotomalala Dave Patrick izay nisolotena an’ Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka. Marihina moa fa mahatratra eo amin’ny 200 eo ny isan’ireo marary afaka raisina an-tanana ao amin’ity toerana nosokafana manokana ity. Ireo mararin’ny covid-19 maneho tranga tsy dia atahorana sy ireo izay manana aretina mitaiza toy ny diabeta, ny aretin’ny fo sy ny tosi-drà no hotsaboina ao. Vonona amin’ny fandraisana ireo marary araka izany ny ekipan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ekipan’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena izay hiara-hisalahy amin’ny fandraisana ireo marary tonga manaraka fitsaboana eny amin’ny CTC-19 Mahamasina. Tsy misy tokony hatahorana araka izany ka aoka hiatrika ny fitsaboana am-pitoniana ireo marary sy ny mpikarakara azy ireny.
Nicole Rafalimananjara
