Creapills : Pilin’ny famoronana
Iza no mbola tsy nahita ny horonan-tsarin’ny « Creapills » raha teo amin’ny tambazotra ? Ny foto-kevitra ijoroan’ity orinasa ity dia tsotra ihany, mamorona ary mampitombo ny traikefa amin’ny resaka famoronana.
Aman-tapitr’isany isam-bolana ny isan’ny fizarana ireo horonan-tsariny ao amin’ny tambazotra sosialy. Ny « Creapills » dia tsy haino aman-jery mitondra anao ny karazana hevitra miavaka rehetra amin’izao fotoana izao fotsiny, fa izy koa dia orinasa manohana ny orinasa, manomboka amin’ny fanombohana rehefa mbola azo lazaina hoe « start-up » izy, ka hatramin’ny fiafarany rehefa amin’ny toerana mahatonga azy ho orinasal lehibe toa irony « multinationale » irony. Izany fanohanana izany dia miantsehatra manokana amin’ireo olana ara-pamoronana, ny fitadiavana hevitra manintona sy manaitra ny mason’ny olona, ary koa miantraika amin’ireo mpanjifa.
