ActualitésTatitra

France : Tovovavy « autiste » no nnitsatoka antsy ny zandriny

Tovovavy « autiste » iray 17 taona no nilaza tsy nahita tory ny alin’ny talata nifoha alarobia teo. Tao Paulhac, tsy lavitr’i Toulouse ao Haute-Garonne no niseho ity tranga ity. Manodidina ny 2 ora maraina rehefa tsy nahita toty ilay tovolahy dia nitsangana izy, naka antsy ary nanatsatoka izany tamin’ny zandriny lahy, 14 taona mbola teo am-patoriana tao an’efitranony.

Teo amin’ny tratrany no notsondronin’ilay zokiny io tovolahy io. Nihiaka mafy izy ary rehefa nandre izany ny rainy dia namonjy azy avy hatrany ary niantso ny mpamonjy voina. Nentina tao amin’ny hopitaly CHU Purpan kosa ilay tovolahy taorian’izany ary efa tsy misy ahatahorana ny ainy.

Nosamborina kosa ilay tovovavy ary notanana am-ponja vonjimaika. Marihana ny « autisme » dia tsy arteina. Fikorontanan’ny fivelarana ara-tsaina izy io izay mety ho hita taratra eo amin’ny faha roa taonan’ny zaza iray ka mahatonga azy hanana olana ara-pifandraisana, ara-pitenenana ary ara-pifanakalozan-kevitra amin’ny manodidina azy. Mety mamerina fihetsika hafahafa tsy mahazatra ihany koa ny olona « autiste » ary ny fiovana no tena tsy mahazaka.

Laisser un commentaire