Dépêches

Fialamboly: Nibata ny amboaran’ny Europe tamin’ny lalao “echecs” i Timothée

Dépêche 16 novembre, 16h30, Nibata ny amboara tamin’ny lalao echecs izay natao teo amin’ny firenena Eropeanina i Timothé RAZAFINDRATSIMA. Malagasy monina any ivelany izy izao nibata ny amboara izao. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona no nahazoany izany amboara izany. Mampatsilo saina sady ahaizana manaraka ny lalàna mipetraka itony lalao itony. Tokony tsy hatao ambanin-javatra izany eto Madagasikara satria efa maro ireo tanora no liana ary tena mahay. Azo sokajiana ho talenta ihany koa ny fahaizana azy ity ka tsara raha trandrahana hatrany. 

Laisser un commentaire