Dépêches

Fandorana entana lany daty tao Bongolava

30 Novambra, 09h00. Nodorana tamin’ny 25 novambra 2021 teo avokoa ny entana lany daty rehetra izay nogiazana nanomboka tamin’ny volana Jolay 2021 tao amin’ny Faritra Bongolava, teo anatrehan’ny solon-tenan’ny Prefektiora, ny Polisim-pirenena, ary ny Ben’ny tanànan’ny Tsiroanomandidy. Nisy fihaonana tamin’ny mpanao gazety, ny Fitaleavamparitry ny Varotra sy ny Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava talohan’izany mba nampahafantatra sy nampahatsiahy ny mpivarotra rehetra fa raran’ny lalàna ny mivarotra entana lany daty, ary tsy maintsy hajaina ny fahadiovana amin’ny toerana fisakafoanana, ny hotely, ary ny fitahirizana entana. Tsy afa-po ny fianakaviana, raha ny fantatra fa hampiakatra ny raharaha.

Laisser un commentaire