Dépêches

Fanentanana mahakasika ny ady amin’ny herisetra tao Sainte Marie

30 Novambra, 09h15. Tafiditra ao anatin’ny « 16 jours d’activisme » io hetsika natao tao amin’ny Fokontany Ambatorao io. Nosafidian’ny Fitalevam-paritry ny Mponina Analanjirofo manokana nanaovana ny fanentanana momba ny ady amin’ny Herisetra izany (VBG). Nanatontosana fanazavana narahina ady hevitra momba ireo karazana herisetra, fiarovana ny ankizy ary fandrindram-piterahana nandritra ny hetsika. Marihina fa nanatanteraka fanentenana toy izao avokoa ny ekipa isaky ny Distrika ao amin’ny Faritra Analanjirofo.

Laisser un commentaire