ActualitésTatitra

Etats-Unis : Miverina ao an-toerana indray ny tazomoka rehefa tsy nisy tao anatin’ny 20 taona

Nanao fanambarana ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana tao Etats-Unis fa olona dimy no voamarina fa mitondra ny tazomoka ao amin’ny firenena. Tao Floride no nahitana efatra ary tao Texas no nahitana ny tranga iray raha ny fanazavana. Tranga tsy nisy tao an-toerana tao an-toerana tao anatin’ny 20 taona  ny tazomoka, raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra.

Efa raisina an-tanana avokoa ireo marary ireo ary efa mihatsara hoy kosa ny tao anivon’ny CDC (Centres de contrôle et de prévention des maladies) ao an-toerana. Amin’izao fotoana dia efa eo am-panadihadiana izy ireo raha toa ka misy tranga hafa ao an-toerana ary efa mandray fepetra amin’ny fisorohana izany, indrindra amin’ny fandripahana ny moka izay mitondra ny aretina.

Ao Floride dia efa nanao antso avo amin’ny fandritrana ny rano mety hamokaran’ny moka ny comté ao Sarasota sy Manatee. I Texas ihany koa dia efa manaparitaka ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny tazomoka.

Laisser un commentaire