ActualitésTsidika

BNGRC : Izay tsara fiomanana no tsy tampohin’ny loza

Efa nandravarava tao La réunion sy Maurice izy. 690 km Atsinanan’i Mahanoro no nisy ny foibeny ny alakamisy teo miaraka amin’ny rivotra 195 km/ora sy tafiotra 275 km/ora izy. Manomboka androany kosa dia efa hitondra rivotra sy ora-mikija any amin’ny morontsiraka atsinanana izy.

Manoloana izany dia nanambara ireo fihetsika rehetra hiatrehana ny loza ny BNGRC. Mila manaraka tsy tapaka ny vaovao sy ny toromarikin’ny tompon’andraikitra hoy izy ireo ary mila miomana amin’ny famahana ireo fitaovan-tserasera. Eo ihany koa ny fanamafisana ny trano sy ny fandraisana fepetra mba ahazoana antoka ny manodidina, mila haùafisina ny varavarankely ny tafo ary tapahina ny hazo manodidina. Izay tsara fiomanana mantsy no tsy tampohin’ny loza.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire