ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Lavon’ny balan’ny zandary ny jiolahy iray nikasa hanafika tao Antsapandrano

Jiolahy iray no lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CC Avaradrano, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nikasa hanao fanafihana tao amin’ny faritra Antsapandrano Ilafy ireo olon-dratsy, ka tratran’ny vela-pandriky ny mpitandro filaminana, araka ny voalaza.

« Nanao ny vela-pandrika ny Polisy rehefa nahazo vaovao mari-pototra ka nahita jiolahy miisa telo teo am-panomanana fanafihana. Vao nahita ny Polisy izy ireo dia nitsoaka avy hatrany ka nifanenjehana. Namoaka basy sady nitifitra ny iray tamin’izy ireo ka tsy maintsy namaly ny Polisy. Lavo tamin’izany ny jiolahy iray raha tafaporitsaka kosa ny roa ambiny » hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

« Raha ny zava-misy no jerena dia mendrika ireo olon-dratsy ny famaizana tahaka izao no fampitandremana ny hafa. Manjaka laotra ny tsy fandriam-pahalemana ary mitebiteby ny olona manoloana ny zava-mitranga ankehitriny. Hirariana ny hitohizan’ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana hatrany” hoy i Lova, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Mitohy hatrany ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana araka ny laharapahamehana napetraky ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. Tafiditra amin’izany ny ady amin’ny asan-jiolahy tahaka izao. Marihina moa fa basy vita gasy iray sy antsy iray no hita teny amin’ity jiolahy voatifitra ity. Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy nitsoaka, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire