ActualitésTsidika

Antsirabe:Nitrangana firodanana trano

Trano iray mbola ao anatin’ny fanorenana no nirodana tampoka ny 09 oktobra 2023 tao Antsirabe I. Rehefa nanala ny “coffrage” tamin’ilay trano vao nahorina ilay mpanao trano dia nirodana. Tototry ny varafasy nadritra izany ny iray tamin’ireo mpanao trano. Tafa-poritsaka nandritra ny firodanana ny namany hafa.

“Mila mailo foana amin’ny tranga toy izao. Mila arahina ny fenitry ny fanorenana mba hisoroana ny loza mety hitranga; mba ahafahana miaro ny ain’ny tsirairay. Mampahery ny fianakaviana niharam-boina.” Hoy ireo avy ao amin’ny fiarovam-pirenena.

“Ilay tompon’andraikitra momba ilay fananganana trano mihitsy no tokony handalina tsara vao manatanteraka ny asany. Aleo misoroka toa izay mitsabo.” Hoy i Bako, renim-pianakaviana.

 Efa nentina any amin’ny tombim-pahasalamana ireo naratra.Tsy nisy aina nahafoy; avotra soamantsara ireo mpanam-boatra trano.

Sitraka R

Laisser un commentaire