Alasora: Hanomboka tsy ho ela ny fanomanana fanadinana atolotry ny kaominina
Hanomboka tsy ho ela ny fampianarana, fanomanana ny fanadinana izay atolotry ny kaominina Alasora. Fanampiana fampianarana ho an’ireo hanala ny fanadinam-panjakana ho an’ity taom-pianarana 2023-2024 moa izany, araka ny voalaza.
“Tahaka ny fanaon’ny kaominina isan-taona dia manolotra fampianarana maimaim-poana ny kaominina ho fanampiana ireo mpianatra hanala ny fanadinana BEPC sy Baccalauréat. Ny tanjon’ny fampianarana moa di any mba hanatsarana ny voka-panadinana eto amin’ny ZAP Alasora” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Manampy ary tena manosika ny tanora ho mendrika ny fampianarana atolotry ny kaominina. Ankoatra ireo ratovina any am-pianarana dia manampy amin’ny fiatrehana ny fanadinana sy ny toe-tsaina entina amin’izany ireo mpampianatra. Tsy tokony ho kamo ireo ankizy satria tombony ho azy ireo ny fampianarana maimaim-poana tahaka izao” hoy I Miora, mpianatra.
Azon’ireo mpianatra atao ny misoratra anarana ao amin’ny varavarana faharoa ao amin’ny biraon’ny kaominina Alasora. Marihina, fa ny 02 martsa no fanombohan’ny fianarana ho an’ireo mpanala fanadinana ity.
