Inde : Biby tsy dia fahita firy ny »tigre blanc »
Ny « tigre blanc » antsoina ihany koa hoe « tigre blanc royal » dia karazana biby mampinono mihinan-kena hita any amin’ny firenen’i Asie indrindra ao Inde sy Chine. Ao amin’ny fianakavian’ny « félidés » izy io.
Tssy varira araka ny fiheveran’ny maro izy io. Tsy fahatomombanana eo amin’ny fototarazo (gène) no mahatonga ny « tigre blanc » miloko fotsy misy tsipika mainty. Ny « leucistisme » na « leucisme » no mitarika io tsy fahatomombanana io ka noho izany dia tsy voasokajy ho isan’ireo biby varira izy.
Ny « tigre » varira dia tsy misy tsipika mainty, ary miloko mazava ny masony.
