ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nanatanteraka fanadiovana faobe tao amin’ny fokontany gara

Nanatanteraka fanadiovana faobe ny tao amin’ny fokontany Gara, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola gara, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Niara-nientana tamin’ny fanatanterahana izany ireo olona feno 18 taona no mihoatra tao an-toerana. 

« Anisan’ny efa fanaon’ny eto anivon’ny fokontany no manatanteraka asa fanadiovana faobe tahaka izao. Atao ihany koa izany mba hampandraisana anjara ireo mponina, indrindra fa ireo efa feno taona, manatanteraka adidy sy asam-pokonolona ary ho an’ny tombotsoa iombonana » hoy ireo komity tomponandraikitra ao amin’ny fokontany. 

« Amin’izao fotoam-pahavaratra izao moa efa tena tsentsin’ny fako avokoa ireo tatatra mpitondra ny riaka sy ny dale rehetra ka rariny raha manao izao hetsika izao, ary tokony atao matetika izany fa tsy miandry fako mivangongo sy ny sisa vao atao ny fanentanana » hoy i Vony, mponina ao Ambohimanambola.

Miaingina eny ifotony tokoa ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena. Misy moa ny dina ho an’ireo izay tsy mahefa na manatanteraka izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire