Dépêches

Fitsarana eto Madagasikara : Nahazo tonia mpampanoa ambony vaovao

Dépêche 20 décembre, 12h40, Notanterahina omaly 19 desambra ny lanonam-pianianana sy fametrahana amin’ny andraikiny ny tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny fitsraana tampony eto Madagasikara. I Rakotomandimby Benjamin Alexis no nisitraka izany toerana izany. Ny Tonia Mpampanoa Ambony no lehiben’ny fampanoavana rehetra eto Madagasikara ka manotrona azy amin’izany ny Lehiben’ny fampanoavana eo amin’ny Fitsarana telo eto Madagasikara dia ny Fitsarana fandravana, ny Filan-kevim-panjakana ary ny Fitsarana misahana ny kaontim-bolam-panjakana.

Laisser un commentaire