ActualitésTatitra

Maurice : Nandray fepetra manoloana ny Covid-19 ny tompon’andraikitra

Manoloana ny firongatry ny Covid-19 ao Chine dia nandray fepetra ny tompon’andraikitra ao amin’ny nosy Maurice. Hatoka-monina avokoa ireo vahiny avy any amin’io firenena io ka voatily miabo amin’ny Covid-19 tonga ao amin’ny nosy.

Heverina fa hiakatra ny vahiny avy ao Chine ho avy ao amin’ny nosy noho ny fiafaran’ny fihibohana ao an-toerana hoy ny tompon’andraikitra. Marihana fa miverina mirongatra io aretina io manoloana ny « sous-variant BF.7. ».

Ankoatra izany dia tsy maintsy manao fitiliana avokoa izany maneho soritr’aretin’ny Covid-19 raha ny tatitra avy tao amin’ny biraon’ny praiminisitra.

Laisser un commentaire