Sabotsy Namehana : Mandeha ny rano isan-tokantrano
Nanatanteraka fitsirihana ireo toeram-pamokarana ny ranon’ny orinasa Jirama teny Sabotsy Namehana ny avy ao amin’ny Ministera. Niainga avy teo Mandroseza izy ireo, nijery ny fizotry ny fanamboarana ny tamba-jotra, izay heverina fa efa hiverina amin’ny laoniny tsy ho ela.
« Efa mitombo tsikelikely ny rano ety Sabotsy Namehana, ary efa mandeha ny any an-tokantrano » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Rano, Fahadiovana sy Fidiovana. « Antenaina ho mbola hitohy ny firotsahan’ny orana amin’ity herinandro ity, mba ahafahana mamelona ireo tobim-pamokarana rano rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina ireo » hoy ny avy ao amin’ny orinasa Jirama. « Manaraka akaiky ny asa famokarana rano ao amin’ny orinasa Jirama izahay mba hahatonga ny rano any amin’ny isan-tokantrano » hoy ny Minisitra Ratovoniaina Thierry Emmanuel.
Ilaina tokoa ny rano ho an’ny rehetra, izay tafiditra ao anatin’ny velirano faharoa. Nojerena nandritra ity fitsirihana ity ihany koa ny toby Ambohipanja sy ny teny Ivato, izay mbola tsy miakatra ny rano raha ny hita teny an-toerana.
Nicole Rafalimananjara
