Andekaleka : Efa mihodina ny « groupe » fahatelo
22 Jona, 10h00. Efa mihodina ny « groupe » fahatelo ary tafiakatra 84 MW ny herinaratra vokariny amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Mihena kokoa noho ny teo aloha ny fahatapahan-jiro noho ny milina fahatelo miasa ao Andekaleka efa mamokatra herinaratra araka ny fanambaran’ny Minisitra ny volana Aprily lasa teo fa hiodina mialohan’ny 26 Jona izao izany.
