SportTatitra

Bahrain : Nandresy tamin’ny lalao fanokafana i Lewis Hamilton

Vao manomboka ny taomplalaovana dia mibata fandresena amin’ny taranja Formula 1 sahady i sir Lewis Hamilton (Mercedes). I Max Verstappen (Red Bull) anefa no nitana ny laharana voalohany teo amin’ny fifanintsanana (qualification). Nifamadika izany ny toeran’izy roalahy ireto tamin’ny faran’ny lalao. I Valtteri Bottas (Mercedes) no tafiditra fahatelo tamin’ity lalao ity. Betsaka ny mpanamory nifindra tarika tamin’ity taompilalaovana ity. Nisy ny tonga dia nahazo vokatra tsara : Sergio Pérez (Red Bull, fahadimy), Daniel Ricciardo (McLaren, fahafito), Carlos Sainz Jr (Ferrari, fahavalo). Misy kosa ny sahirana tamin’ity dingana voalohany ity : Sebastian Vettel (Aston Martin, faha-15). Marihina fa ity no lalao voalohany nandraisan’ireto mpanamory ireto anjara : Yuki Tsunoda (Alpha Tauri, fahasivy), Mick Schumacher (Haas, faha-16), ary Nikita Mazepin (Haas, niala andaharana).

Laisser un commentaire