ActualitésTsidika

Anjeva: Nisy ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra

Nisy ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, nataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva gara tamin’ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny faritra Miadamandroso, fokontany Anjeva gara indray no notsidihana nandritra izany.

“Nisy ny fametrahana jiro miisa fito, manazava ireo elakelan-trano be mpandalo ety an-toerana. Ankoatra izay dia natao rari-vato ihany koa ny lalan-kely mirefy 210 metratra miakatra eny an-toerana, izany moa dia efa fangatahan’ny mponina hatramin’ny ela. Izany no natao nandritra ny fandalovana tety an-toerana” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

“Efa ela no niandrasana ny fitsidihan’ny ben’ny tanàna izao. Hisaorana azy satria anisan’ny mandray an-tanana ny fampandrosoana ety ifotony tokoa izy ary hita taratra ny fandraisana andraikitra sy ny fanovana entiny” hoy i Solo, mponina ao Anjeva.

Ao anatin’ny fitsidihana ataon’ny kaominina tahaka izao ihany koa moa dia misy ny tafa hiafanoavana amin’ny vahoaka, ary mandritra izany no ihainoana ny hetahetan’izy ireo momba ny asa fampandrosoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire