FARITRA MENABE : Fano iray naverina an-dranomasina
15 febroary, 09h30. Fano manodidina ny 150kg no hita tao amin’ny Fokontanin’ny Antanambao Faritra Menabe ny alin’ny 13 Febroary 2022 lasa teo. Raha ny fantatra dia Fano avy nazain’ny olona izy io, nandositra kosa ny olona naka azy rehefa nisy nahita. Nisy ny fiaraha-mientan’ny mpanjono sy ny DRPEB niaraka tamin’ny DREDD Menabe namerenena ity Fano ity tany an-dranomasin’ny Morondava Centre ny alin’io ihany. Nararaotina nandritra izany ny fanentanana an’ireo mpanjono fa voarara ny làlana ny fihazana Fano ary tsy azo ohanina noho izy hazan-drano misy poizina.
