ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitohy ny asa fanamboaran-dalana ao amin’ny fokontany Ikianja

Misy ny asa fanamboaran-dalana ao amin’ny fokontany Ikianja Ambohimangakely. Tonga teny an-toerana, nijery ny fandrosoan’ny asa, tamin’ny faran’ny herinandro, teo ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina sy ny mpiara-miasa aminy.

“Ao anatiny tanteraka ny asa fanamboarana ny lalana ety an-toerana ny tomponandraikitra. Mandroso araka ny niandrasana azy ny asa, izay marihina fa efa herinandro mahery teo izao ny famitana azy. Izy ity moa dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetik’asan’ny kaominina” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hisaorana ny kaominina amin’ny fandraisana andraikitra momba ity lalana ity fa tena anisan’ny mampijaly ny mponina ny faharatsiany teo aloha. Amin’izao izy vita tara izao mba tsy mamovoka no tsy manano sarotra toy ny teo aloha intsony, tokony tohizana hatrany izany ezaka izany” hoy i Haingo, mponina ao Ambohimangakely.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny asa fampandrosoana ataon’ny kaominina eny ifotony ny asa fanamboaran-dalana tahaka izao. Mbola maro moa ireo lalana ratsy sy simba ao an-toerana izay handrasan’ny mponina fatratra ny fanamboarana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire