ActualitésTatitra

Inde : Renimpianakaviana iray nifanenjika tamin’ny « leopard » nanavotany ny zanany

Tao amin’ny tànanan’i Badi Jhiriya, faritanin’i Madhya Pradesh no niseho ity tranga ity ny faraparan’ny volana Novambra teo. « Léopard » iray no nisambotra zazalahy kely ary nitondra azy nandositra, saingy tsy nisalasala ny renin’ilay zaza nanenjika io biby io.Sady niantsoantso izy no niazakazaka ka taitra ny manodidina. Nivondrona vetivety nanampy azy ny olona ka navotsotr’ilay « leopard » ilay zazalahy kely. Tsy naratra firy kosa ity farany. Kaikitra sy ratra maivamaivana no nahazo azy ary andro iray tao amin’ny hopitaly dia efa nivoaka izy.Nankasitraka ny fihetsik’ity renim-pianakaviana ity kosa ny lehiben’ny ministry ny faritra, Shivraj Singh Chouhan. Nilaza izy fa « endrika iray maneho ny maha-reny ny fiatrehana ny fahatesana ho an’ny zanaka ».

Laisser un commentaire