Olona 215 no migadra noho ny heloka bevava ara-tontolo iainana tao Boeny sy Betsiboka
Nanomboka ny taona 2019, miisa 215 ireo olona nogadraina noho ny heloka bevava ara-tontolo iainana nataon’izy ireo, raha ny nambaran’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitr’ireo faritra roa ireo. Nanao filazana tamin’ny fantsona fahitalavitra nasionaly momba io tranga io izy noho izany. Marihina fa 64 amin’ireo olona ireo no monina ao Ankarafantsika mihitsy. Maherin’ny 100 hekitara ny tany may tao amin’ny valan-javaboarin’Ankarafantsika vokatr’io firehetana io ka iray hekitara amin’ny velaran-tany 136 000 hekitara no simba.
Olona maherin’ny 600 no nanao hetsika nandritra ny dimy andro mihoatra mba hampitsahatra ny afo izay niparitaka manerana io valan-javaboary io. Nahitana ala izay tsy dia mivelona amin’ny hamandoana sy toerana maitso midadasika izay trano fonenan’ireo harena voajanahary miavaka toy ireo karazam-borona sy gidro maro (microcèbe, « primate kely indrindra maneran-tany) izy. Anisan’ny antony namonjena maika ity firehetana ity indrindra, ny mety ho fitsoahan’ireo karazam-biby monina ao.
« Tokony ho voavonjy sy ho voafehy aingana ihany ilay afo raha nalaky nihetsika ny mponina » hoy i Bodo, mponina any an-toerana. « Tsy ampy ny fanaraha-maso ataon’ireo tompon’andraikitra momba ireo mpifindra monina » hoy i Bernard, mponina eto an-drenivohitra. Nandritra ny fanambarana nataon’i Ihando Aina Andrianjafy, talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao Boeny sy Betsiboka, « olona 215 no efa voasambotra tamin’io raharaha ara-tontolo iainana io ». Nanamafy noho izany izy, fa tsy misy mihitsy ny famindram-po ho an’ny olona tahak’izao. Azo lazaina ho toerana fizahan-tany maitso mantsy Ankarafantsika tany am-piandohana ary tombony ho an’i Madagasikara izany. « Ny fizahan-tany maitso dia manampy ny fiarovana ny natiora amin’ny alalan’ny fanohanana ny asa fiarovana sy ny fanomezana fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina eny ifotony » hoy ny bilaogin’i Lynne Venart, mpanoratry ny « réseau de conservation des lémuriens ».
Araka ny fepetra efa noraisina, hosazina ireo tompon’andraikitra amin’ny resaka doro tanety tahaka itony, ary tsy tokony hisy indrafo na iza na iza. Raisina ho heloka bevava amin’ny tontolo iainana ny fampiharana fambolena sy ny fitrandrahana arintany amin’ny faritra tsy voaaro. Raha izay ary, mety hisy fiantraikany eo amin’ny fizahan-tany ve ny fihenan’ireo valan-javaboary maro mpitsidika ireo ?
Miangaly Rasoamihajamanana
