Politique

Israel : Manambara ny fisokafan’ny masoivoho voalohany any amin’ny Emirats arabes unis.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny masoivoho Israel any Abu Dhabi ny alahady teo. Efa-bolana taorian’ny nanaovany sonia ny fifanarahana handaminana ny fifandraisana eo amin’ny fanjakana ao Israel sy ny fanjakan arabo. Nisy fanaovana sonia fifanarahana ara-barotra teo amin’ny fanjakana roa tonta nandritra izany fotoana izany, eo amin’ny sehatry ny “agro-alimentaire”, fizahan-tany ary teknolojia avo lenta.

Nanambara fifanarahana hanatsarana ny fifandraisana amin’ny firenena tao anatin’ny volana vitsivitsy i Israel : ny Emirats arabes unis, Bahrain, ary koa ny Sudan sy Maroc. Ankoatr’izay, neken’ny governemanta ao Israel tamin’ny fomba ofisialy ny fifanarahana nifanaovana tamin’i Maroc tamin’ny alahady teo, nefa tsy maintsy mbola mahazo jiro maitso amin’ireo solombavambahoaka izy ireo.

Laisser un commentaire