Dépêches

Mampikony: Nodimandry ilay zandary natelin’ny rano tao Antsohihely Ambohitoaka

18 Febroary, 09h00. Zandary iray no nentin’ny rano rehefa nanaradia omby very niaraka tamin’ny fokonolona, ny alin’ny alarobia 16 febroary tao Antsohihely, Ambohitoakan’i Mampikony. Nafaton’ny mpangalatra teny ampitan’ny rano ity omby ity ka izy no nirotsaka namaha ny fatorany saingy nentin’ny rano. Nokarohina nandritra ny fotoana naharitra izy ary hita omaly tamin’ny 05 ora hariva ny nofo mangatsiakany. Nandrasana tao amin’ny tokotanin’ny zandarimaria tao Mampikony ny alin’ny omaly ny razana.

Laisser un commentaire