47.84 Euro ny 1 grama amin’ny volamena
01 Jolay, 08h45. Mitetina 47 838.40 Euro ny alarobia 30 jona 2021 lasa teo ny vidin’ny volamena 1kg eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha 4 568.13 Ariary ny 1 Euro, dia 218 532 030.19 Ariary izany ny kilao, na 218 532 Ariary ny graman’ny volamena. 160 000 Ariary eo no hakana ny 1grama any amin’ireo mpitrandraka, 5 000ar ny hetra sy haba alain’ny fanjakana, 5 000ar ny lany amin’ny fitaterana sy fanondranana azy. 30 000 Ariary izany no ifampizaran’ny mpanangona volamena, ny mpampiasa vola, ny mpanondrana sy ny mpandray azy any ivelany isaky ny grama.
