Alasora: Mikatona ny biraon’ny kaominina ho an’ny tontolo andro anio
Misy ny fisitahana izay tanterahan’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina Alasora, amin’ity zoma 13 oktobra ity. Mikatona araka izany ny biraon’ny kaominina ka tsy misy ny fandraisana olona ao an-toerana, araka ny voalaza.
“Efa fanaon’ny eto amin’ny kaominina ny fanatanetrahana ny fisindana. Ireo mpiasan’ny kaominina sy ny lehiben’ny fokontany ary ny kartie mobile no manatanteraka izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ilaina ao anatin’ny fitantanana ny fisindana. Tahaka ireo asa rehetra, manana zo hisitraka izany ihany koa ireo tomponandraikitra amin’ny fitantanana ny kaominina sy ny rafitra eny ifotony. Amin’ny alalan’izany no hisintonana hery vaovao ahafahana mitondra ainga vaovao amin’ny fanatanterahana ny asa” hoy i Dina, mpianatra momba ny psychologie.
Tafiditra ao anatin’ny tetiandron’ny kaominina ny fisindana. Mandritra izany moa no hialana sasatra sy hitondrana hevi-baovao ao anatin’ny fitantanana ny kaominina.
Manitra R.
