Dépêches

Kolontsaina : Tafiakatra amin’ny dingana famaranana amin’ny « Prix découvertes RFI 2022 » i Ayam

Dépêche 04 novembre, 13h, I Randrianantenaina Nomendanja, na i Ayam, no ahafantaran’ny be sy ny maro azy. Niatrika ny fifaninana mozika ao amin’ny RFI izy ary tafiakatra amin’ny dingana famaranana. Ity fifaninanana ity izay mitily ireo mpanatalenta vao misondrotra aty amin’ny kaontinanta afrikanina ka manome tosika azy ireo. Hiatrika ny lalao dingana famaranana izy miaraka amin’ireo mpifaninana avy amin’ny firenena afrikanina miisa valo. Mpihira sy ireo matihanina no hitsara izany miampy ny fifidianana en-jotra izay hataon’ireo mpankafy hatramin’ny 16 novambra misasak’alina. Hahazo vola 10 000 euros ary hitety an’ny Afrika sy hanatanteraka seho iray ao Paris izay hivoaka mpandresy amin’ity lalao ity.

Laisser un commentaire