Fanokanana ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina « Akory lahaly » tao Mahajanga
Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny governemanta amin’izao ny hanomezana lanja ny serasera sy ny kolontsaina eto Madagasikara. Akoatran’ireo tetik’asa maro samihafa natokana ho an’izany dia ny fananganana ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina manerana ny faritra. Notokanana ny 2 jona teo ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina any Mahajanga antsoina hoe « Akory Lahaly ». Ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara niaraka tamin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo sy ireo ekipa maro avy ao amin’izany Minisitera izany no tonga nitokana ity tranobe ity. Ahitana efitra fampiratiana sy famakiam-boky, efitra ho an’ny informatika sy fivoriana ary indrindra birao ho an’ny mpanao gazety sy ho an’ny mpanakanto ary efitra maro samihafa. Nisy ihany koa ny ny fitaovana mozika maro sy zava-maneno nomen’ny filoham-pirenena. Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina fahatelo notokanana ity omaly ity raha tany Antsiranana sy Toamasina ny anakiroa.
Nicole Rafalimananjara
