Dépêches

Toetr’andro : Ahiana hisy fiforonana rivo-doza amin’ity herinandro ity

Dépêche 06 février, 14h, Araka ny hita ny maraina tamin’ity anio ity dia nisy erikerika madinika ary somary nangatsiaka ny andro. Araka ny fanambarana avy amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro ihany koa anefa dia vinavinaina hanome vahana ny fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indiana sy ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika ireo fepetra an-dranomasina sy ho an’ny atmosfera. Misy fanahiana kely ihany izany ho an’ny Madagsikara ka tokony hanara-maso hatrany ny toetr’andro ny ao amin’ny faritra Sava, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Menabe sy ireo distrikan’ny Mandritsara, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Ifanadiana, Besalampy, Maintirano, Morafenobe, Antsalova, Morombe, Toliara, Betioky Atsimo, Ampanihy, Beroroha, Ankazoabo Atsimo ary Sakaraha.

Laisser un commentaire