Anatihazo Isotry : Miray hina amin’ny fanenjehana ireo jiolahy ny mponina
Manao peta-drindrina ho fampitandremana ireo jiolahy ny mponina ao Anatihazo Isotry. Anisan’ny toerana be mpangalatra sy mpisito-mahery iny faritr’Isotry iny. Misy mihitsy aza ny milaza iny toerana iny ho faritra mena. Nahita hevitra ny mponina tao ka izao niray hina amin’ny fanatratrarana ireo mpanao ratsy ireo izao. Peta-drindrina fanentanana ireo mponina hiantsoantso avy hatrany raha misy ny tranga fangalarana eny amin’ny manodidina azy ireo.
« Ataonay fitsaram-bahoaka izay mpangalatra tratranay fa efa halohalika ny ranom-bary » hoy ny mponina eny an-toerana. Nilaza ny tsy mahamety izao zavatra ataon’ny mponina izao kosa i Zafy, mpandinika fiaraha-monina : « Ho tonga ny polisy hisambotra ny mpisambotra ny mpisam satria namono olona ny vahoaka. Tany tandalana anie i Madagasikara
Foana io raha havela handray andraikitra ny vahoaka ».
« Porofo izao fa tsy matoky ny fitondrana sy ny fitsarana ny olona » hoy kosa Andry, raim-pianakaviana iray.
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Nisy ny tarehimarika nivoaka fa nihena dimapolo isanjato ny tahan’ny tsy fandriampahalemana teto kanefa rah any hita sy tsikaritra vao mainka mirongatra aza izany. Azo atao tsara mihitsy ny firaisan-kina tahak’izao afahana mandripaka ireny olon-dratsy ireny sady ho famerenana ny fandriam-pahalemana eo amin’ny toerana iray. Mila mandray ny andraikitra tandrify azy ihany koa ny mpitandro filaminana manoloana izao fihetsiky ny mponina izao.
Tsangy Randriamampianina
