Dépêches

Tontolo iainana : Hatsaraina ny kalitaon’ny rivotra iainana.

Dépêche 15 décembre, 13h, Fiaraha-miasa eo amin’ny manam-pahaizana Malagasy sy Amerikanina maro no miara-misalahy ny amin’ny fanaraha-maso ny rivotra iainana. Hametrahana « capteurs » sy « bio-indicateurs » izay hanaraha-maso ny rivotra hiainana izany. Haparitaka mihitsy izy io ary hapetraka amin’ny toerana maro. Ny tanjona amin’izany dia mba hahafahana miady amin’ny vok-dratsy ateraky ny fahalotoan’ny rivotra sy mba hampahafantarana ny olona fa misy fahalotoana ny rivotra iainana eto ka ilaina hatrany ny fitandreamana amin’ny lafiny rehetra.

Laisser un commentaire