Baolina kitra lalaovina amin’ny tora-pasika : Tetiandron’ny lalao hifanandrinan’ny Barea.
Dépêche 19 octobre, 11h, Hifanandrina amin’ny Egypte ny Barea beach Soccer ny asabotsy izao amin’ny 3 ora ny sasany. Hatao ao amin’ny tanànan’ny Vilankulos ao Mozambika izany. Ao anatin’ny andro faharoa no hiaonany amin’ny Ouganda ny 23 oktobra ary hofaranana amin’ny fihaonana amin’ny Sénégal ny alatsinainy 24 oktobra izao. Mpilalao samy lehibe amin’io taranja io avokoa ireo 3 ireo saingy tsy matahoatra sy tsy milefitra amin’izany ireto Barea ireto noho ny fiomanana efa vita tsara. Ireto Barea ihany koa iozay efa any an-toerana amin’izao fotoana izao nanomboka ny alatsinainy teo. Marihina fa ao amin’ny vondrona C no misy azy ireo ka izay roa voalohany isaky ny vondrona no miatrika ny manasa-dalana ny 26 oktobra izao.
