ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mitohy ny ezaka sy fanentanana momba ny fahadiovana

Mitohy ny ezaka sy fanentanana mahakasika ny fahadiovana, ataon’ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely, amin’izao fotoana. Efa nisy hatrany ny fanentanana saingy nohamafisina izany mba hisian’ny fahadiovana ao an-toerana, araka ny voalaza.

« Miezaka hatrany ny eto amin’ny fiadidian’ny kaominina Ambohimangakely mba hanana tanàna madio sy milamina. Koa ao anatin’izany dia manentana ny mponina sy ireo mampiasa ny toby fanariam-pako mba hanaja ny ora fanariana fako » hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.

« Ny toby fanariam-pako dia tsy azo hanariana toy ny vakim-pitaratra, potika pneu, ranon-tany , tapa-biriky , korotan-kazo. Izay tratra mandika izany dia hiaran’ny sazy avy hatrany satria efa misy ireo mpanara maso nampetraka isakin’ny toby fanariam-pako » hoy hatrany ny fanazavana.

Ny maraina amin’ny 05 ora ka hatramin’ny 08ora maraina no fotoana fanariana ny fako napetraka ho an’ny fandaminana ao anatin’izany. Manomboka amin’ny 05ora ka hatramin’ny 08ora alina kosa ny hariva. Zava-dehibe ny fanajana io ora io ho an’ny fandaminana ary hanentanan’ny tomponandraikitra ny rehetra ny fanarahana sy fanajana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire