Corée du Sud : Tovovavy iray no namono olona noho ny fankafizana horonantsary mampatahotra
Tena tia horonantsary mampatahotra sy mampihoron-koditra ary fanadihadiana momba ny mpamono olona na « serial killer » i Jung Yoo-jung. Manoloana izany dia velom-paniriana hamono olona noho ny fahalianany sy fitiavana ahafantara ny fitsapana azo avy tamin’izany izy.
Tao Busan no niseho ny tranga. Nanomboka nikarokaroka tamin’ny gazety io tovovavy 23 taona io ary niantso vehivavy iray nanao tolotra fampianarana anglisy. Nandainga i Jung Yoo-jung fa manan-janaka 13 taona hianatra ary ho avy any an-tranon’io mpampianatra io. I Jung Yoo-jung nefa no tonga tany an-tranon’ilay mampianatra ary amin’ny maha zaza endrika azy dia tsy niahiahy ilay vehivavy.
Rehefa tao an-trano dia notsatohan’i Jung Yoo-jung ny antsy im-betsaka ilay mpampianatra ary norasarasainy. Nataony tao anaty valizy ny faty taorian’izany, nodioviny ny tranon’ilay mpampianatra ary nanakana fiara karetsaka hatreo amin’ny renirano Nakdong nanariana ilay valizy izy. Ilay mpamily ny fiara kosa no niahiahy an’i Jung Yoo-jung ka niantso ny manam-pahefana.
