ActualitésTatitra

Etats-Unis : Biby an-drano maherin’ny 40 000 isa no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby

Fiaran-dalamby iray nitondra vokatra simika no sedran’ny lozam-pifamoivoizana tao East Palestine, Ohio. Raha ny tatitry ny manam-pahefana tao an-toerana ny herinandro lasa teo dia biby an-drano 43 700 no maty noho ilay vokatra simika tao anatin’io fiaran-dalamby io. Toerana efatra samihafa no nodinihin’ny vondrona EnviroScience nahazoana izany tarehimarika izany, raha ny fanazavana.

« Chlorure de vinyle » ampiasaina amin’ny fanamboarana plastika kosa no nentin’io fiaran-dalamby io raha ny fanamafisana. Vokatra isany miteraka homamiadana izany ary mora mirehitra. Araky ny EPA (Agence américaine de protection de l’environnement) kosa dia tsy voakasika firin’io fiparitahana vokatra simika io ireo biby an-tanenty. Nisy ihany nefa ireo mponina nilaza fa nisy soritr’aretina ary tojo ny aretin’ny taovam-pisefoana ary ny fijanon’ny fitepon’ny fo ny biby fiompin’izy ireo.

Laisser un commentaire