Ambohimangakely: Jiolahy vao nivoaka ny fonja tratra namaky trano
Jiolahy iray vao nivoaka ny fonja, vao iray volana, no tratran’ny fokonolona namaky trano teny amin’ny faritra Falimanjaka, fokontany Betafo, kaominina Ambohimangakely, tamin’ny herinandro teo. Tsy namelan’ireo zandary ity mpamky trano ity fa nosokirina hatrany anaty trano fiafenany, araka ny voalaza.
“Ny 01 janoary, tamin’ny 06ora sy sasany maraina no niantso ny zandary ny fokonolona ao Falimanjaka, fa nisy mpamaky trano. Tao anatin’izany dia voasambotry ny fokonolona ilay mpangalatra saingy votsotra ary tavela kosa ny bisikileta izay nalainy” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Rehefa natao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana dia tratra tao an-tranon’ny tovovavy nampiatrano, izay sady sipany ity farany. Hita tao ihany koa ny permis sy ny akanjo fitondrany manao mission. Ny tolak’andro ihany koa dia voasambotra ny mpamaky trano namany” hoy hatrany ny fanazavana.
Bisikileta iray sy findar miisa telo mia no lasan’ireo jiolahy nandritra ny fety. Naverina amin’ny tompony soa aman-tsara kosa ny bisikileta taorian’izany. Mbola misy moa ireo jiolahy hafa tafaporitsaka izay hanaovan’ny mpitandro filaminana fikarohana amin’izao fotoana.
